Ampahereto

Ny Antso (FDL Ambatonjara)

Ampahereto


Prelude
Indraindray Aho Dia Maniasia,
Manao Izay Rehetra Tsy Fanao
Ka Sendra Ady Sarotra,
Izay Vao Mahatsiaro Anao


Matetika Dia Minia,
Mitady Vahaolana
Amin’ny Herin’ny Tenanay Izahay,
Indrisy Fa Nangaihay


Amin’izay Fotoana Izay,
No Indro Tonga Ianao
Maneho Ny Voninahitrao,
Nanarina Ary Koa Namonjy Anay


Matetika Aho Mandohalika,
Sy Latsa-Dranomaso Koa
Mangorakoraka Ny Fo,
Fa Maro Jeso Ny Ota Vitako
Interlude
No Indro Tonga Ianao,
Nanendry Sy Nanokana Ahy
Hanao Ny Asa Masinao,
Indrisy Jeso Fa Tsy Mendrika Aho


Fa Mbola Tsy Mety Afaka,
Amin’ny Fahazaran-Dratsiko Aho
Jeso Mifona Aho Mitalaho,
Afaho Aho Mba Homendrika Anao


Omeo Hery Aho Jeso,
Hanaovako Ny Asanao
Handresy Ireo Fakam-Panahy,
Ireo Sakantsakana Savao


Jeso Maniry Mafy Aho,
Hiaraka Aminao Doria
Haharitra Hatramin’ny Farany,
Amin’ny Fanompoana Anao


Haharitra Hatramin’ny Farany,
Amin’ny Fanompoana Anao


Haharitra Hatramin’ny Farany,
Amin’ny Fanompoana Anao


Fanompoana Anao


·