Ampaheherezo
KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Ampaheherezo
Tsy ho tapitra ny adinay raha toa ka mbola eto an-tany
Ka mila anao Jesosy ô, hitarika ny sambonay
Mba tsy ho rendriky ny onja sy ireo fahavalo ny fiainanay
Fa mbola alavitra ny dianay
Ka ampaherezonao hatrany
Mba ho tody soa ho hatrary, am-paradisa lapa soa
Rakofy ny herinao ‘zahay (bass), Ray ô
(Mba tsy) hania, Ka hiala eo anatrehanao
Omeo hery, mba tsy ho kivy
Ombay ambany elatrao
Ka n’iza n’iza handrombaka
Izahay efa eo an-tananao
Raha miezaka ny hanompo Anao, sy hanaraka ny didinao
Dia maro ireo mamingana, misakana ny lalanay
Izay mizotra manakaiky Anao
Ray ô aza hafoy re izahay
Fa mbola alavitra ny dianay
Ka ampaherezonao hatrany
Mba ho tody soa ho hatrary, am-paradisa lapa soa
Rakofy ny herinao ‘zahay (bass), Ray ô
(Mba tsy) hania, Ka hiala eo anatrehanao
Omeo hery, mba tsy ho kivy
Ombay ambany elatrao
Ka n’iza n’iza handrombaka
Izahay efa eo an-tananao