Ampahalalao ahy
Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Ampahalalao ahy
1/
Tompo ô ampahalalao ahy
Raha sitrakao, anio izao
Ny fisedram-panahy
Izay niainanao
Fony Ianao tety
Tsy ho jamban’ny, harena sy
Vola amam-boninahitra
F’hibanjina, ny lalanao
Mba handovako lanitra
Tompo ô ampahalalao ahy
Raha sitrakao, anio izao
Ny fisedram-panahy
Izay niainanao
Fony Ianao tety
2/
Tompo ô ampahazakao ahy
Ny hazofijalianao
Mba tsy ho kivy
na hihemotra
Fa handresy fankam-panahy
Hanara-dia, Anao Kristy
An-kasahiana sy am-pitia
Tsy hatahotra, na hiahotra
Satria Ianao mitantana
Tompo ô ampahazakao ahy
Ny zioga izay omenao ahy
Mba tsy ho kivy
na hihemotra
Fa handresy fankam-panahy