AMORONY FO MADIO

Ny Mpitory

AMORONY FO MADIO


Amorony fo madio aho Andriamanitra ô!
Fo iray miorim-paka mafy ao Aminao
Handosiran’i Satana, fa hivoha hidanadana
Henika sy feno ny hasoavanao


Mba tolory saina tsara aho Tompo Masina ô!
Mba hisainako ny lala-mankany Aminao
Saina afaka hahalala, fa tsy ny lala-migodàna
No hanatrarana ilay Paradisa soa


Akaikezo eh! Inty ny tanako fikiro
Fa manonja anie ity rano be
Aza avela handeha irery
Tantàno an-dàlana aho sao very
Jesosy ô! Ianao no tokiko


Ilay fanahy mahaolona nomenao ahy koa
Azoko ambara fa raha toa tsy arovanao
Dia manjary mampanahy, raha tratry ny fakam-panahy
Ka farany ho may sy ho ratsy fiafarana


Ny tongotro ny tànako, ny loha, ny masoko
Ny eritreritro, ny sofiko, ny vavako
’Zany hoe raha atontaly, tsy zava-bitsivitsy ihany
F’izaho mihitsy no apetrako Aminao


Akaikezo eh! Inty ny tanako fikiro
Fa manonja anie ity rano be
Aza avela handeha irery
Tantàno an-dàlana aho sao very
Jesosy ô! Ianao no tokiko


·