Aminao Jesoa no hasambarako
Asafia Ambodihady
Aminao Jesoa no hasambarako
Moa mba ho aiza izahay Jesosy ô
Raha mbola ety an-tany ety (an….)
Ny mba sitrako ho ahy ry Tompo ô( ry Tompo ô…)
Ny hiara-dalana Aminao doria
Ka mba raiso aho anio Jesosy ô
Fa manolo-tena ho Anao izao
Ekeko izay anjara tendrinao
Ekeko re satria: Aminao Jesoa no hasambarako
Raha hody izahay rahatrizay
Tiako mamiko ny ho eo Aminao (an…)
Ka hitoetra anilanao mandrakizay (mandrakizay…)
Ry Jesoa Tompo be fitiavana ô
Ary ekeko re ny ho mpanomponao
Ho fanasina hanambara Anao ety
Ekeko izay anjara tendrinao
Ekeko re satria: Aminao Jesoa no hasambarako
A/C: Andrianirina Lovaniaina