Ambaravarana

Lalao

Ambaravarana


Ambaravaran’ny fonao misy mpiandry iray mandona
Tsy matory tsy tafandry, te hamela ireo mifona
Teny feno famelana, teny feno fifaliana
No omen’i Jesô Tompo, raiso re
F’izy maty ho anao, ho an’izao tontolo izao


Ampandehanana eny koa misy sandry iray mitsotra
Ny fitiavany rehetra izay tsy miala fa mitoetra
Ny fitiavany madio no natolony anao
Koa meteza re anio, raiso re!
F’izy maty ho anao, ho an’izao tontolo izao


Ireo namanao variana ety, ilazao mba hahalala
Famonjena tsy vidiana fa omena tsisy fetra
Mitsangana ankehitriny, ndeha torio izay fantatrao
Ilay anarana lalaina Jesô tia, f’izy maty ho anao
Ho an’izao tontolo izao


Ry mpanota, ho aiza mo ianao
Mb henoy re! Jesô miantso anao


·