Ambarao

Amboaram-peo Hoby Vontovorona

Ambarao


Do dia Db na C


Saotra, dera, laza, hery, haja, voninahitra
Atolotray Anao irery Tompo Andriamanitra.


Fa taona maro lasa izay no nitantananao,
Nitorianay sy nanaovanay ny irakao²


Miderà, mihobia, ankalazao ny Tsitoha
Asandrato ny feo, Asandrato mafy.
Manaova feo fifaliana avy ao am-po
ho an’ Andriamanitra Avo indrindra
koa aza miafy.


Taona maro mbola ho avy izao e!
No hanambaranao anay indrindra hoe:
Voix 1
“Ho fanazavana hianao, ny jentilisa izany”
Voix 2,3
“Fa homeko ho fanazavana hianao
dia fanazavana ny jentilisa izany.”
Voix 4
“Ho fanazavana hianao,  ny jentilisa izany”


Voix 1
“Mba ho famonjeko izao, ho famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.”
Voix 2,3
“Mba ho famonjeko izao anio izao
Ho famonjeko hatramin’ny faran’ny tany "
Voix 4
“Mba ho famonjeko izao, ho famonjeko hatramin’ny faran’ny tany “.


Koa mandehana, mahefà!
Jesoa Tompo no jerena
Mitsangàna, mihazavà!
Ka zarao ny famonjena


A/C Fefy Sarobidy


·