Ambany elany

Toky Fitia

Ambany elany


manopy ny masoko aho
an-tendrombohitra
avy aiza ny famonjena ahy?
Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah
lay mpanao ny lanitra sy tany


Fa indro tsy matory na rendrehana
ny mpiaro ahy, fa miandry ahy
dia Izy no fialofako raha tojo ady aho
mampandresy ahy
ambany elany no andrakofany ahy


Raha Izy no mijoro eo anilanao
raha Izy no mijery zay alehanao
dia tsy mba misy ahiahy
fa mandry fehizay ny fo sy fanahy
Jesosy no mandeha mitarika
Ny olana sedraina dia tsy mampanahy
fa ravany hatrany ,tsy misy toa izany
ianao no andrasany e
Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah
lay mpanao ny lanitra sy tany


Fa indro tsy matory na rendrehana
ny mpiaro ahy, fa miandry ahy
dia Izy no fialofako raha tojo ady aho
mampandresy ahy
ambany elany no andrakofany ahy


Toky Fitia 2023
A/C : Toky Fitia


·