AM-PELATANANAO

Njila

AM-PELATANANAO


Am-pelatananao ry Ray avo indrindra
No ametrahako ny diako izao
Fa lalan-tsarotra izay tena
mahatahotra no ho diaviko


Ka mila Anao hitari-dalana sy hanoro
Mba tsy ho lavo amin’izao andro izao
Arovy ami’reo loza aho mba tsy handao Anao


Ka raha sendra ady sarotra ny fiainako
Mino aho fa te hanafaka ahy tokoa Ianao
Mandry am-piadanana aho tsy manana ahiahy
Ho afaka amiko ’reo tahotra izao mamatotra ahy


REF : Tsy ho tsapako intsony ny fiainana tsy tony
Ho afaka hijoro aho hiaraka Aminao
Ka na dia maro aza ireo fahavaloko
Tsy hanan-tahotra aho fa Ianao no manda fiarovako


Efa tsy azo hametrahana ny fo intsony
Raha izao fiainana eto izao
Fa ady sy korotan-dava tsy misy filaminana no eto


Ka velon-tebiteby sy horohoro mafy
Isan’andro isan’andro isika rehetra izao
Miaina ao anatin’ny tahotra mampivadi-po


Koa dia taomy aho ry Ray ho any Aminao
Ao Aminao ihany no misy fiadanana
Aza avelanao hiala an-tratranao Ray ô !
Ampifalio aho mba tsy ho tafasaraka Aminao


REF : Tsy ho tsapako intsony ny fiainana tsy tony
Ho afaka hijoro aho hiaraka Aminao
Ka na dia maro aza ireo fahavaloko
Tsy hanan-tahotra aho fa Ianao no manda fiarovako


·