Am-pelantananao
Rojo Ny Avo feat Rija Kely
Am-pelantananao
AMPELATANANAO (Ny Avo)
Ampelatananao Tompo ô!
Ny fiainako sy izao rehetra izao
Eny avy aminao tokoa izao tombonandro izao
Ka misaotra anao Ray ô
Koa ity aho Tompo ô
Manolotena fa vonona ho anao
Eny raiso ka anjakao manomboka izao
Ka ho mandrakizay
Mendrika ho deraina tokoa ra Ianao
Satria ny fahasoavanao
No natatoy izao ahy
REF:
Ka hihira aho , hihira aho
Tsy hitsahatra ny hiantsoantso
Ny Anaranao
Ka hidera aho , hidera aho
Asandratro avo dia avo ny voninahitrao
Koa ity aho Tompo ô
Manolotena fa vonona ho anao
Eny raiso ka anjakao manomboka izao
Ka ho mandrakizay
REF: ….
Mendrika ho deraina tokoa ra Ianao
Satria ny fahasoavanao
No natatoy izao ahy
REF: …..