Allô

Mr Sayda (Misié Sayda)

Allô


Hariva manirery, sendra tafijery
Ilay sarintsika roa tany ampefy
Fony mbola zazakely
Na dia mbola zaza
Na dia mbola kely
Dia efa ianao foana no tadiaviko rehefa manao fangalapiery
Efa niezaka hanadino aho na dia mafy
Efa vazaha be izay ianao iny any andafy


Oh, allô, sendra malahelo
Ka mba te haheno, ilay feonao malefaka
Oh allô, sendra malahelo
Ka mba te haheno
Mangina ka mba te hiresaka


Ekeko fa hoe vazivazy
Kanefa ny foko mba tena korazy
Nataon’ny lerony vadinao aho rehefa tsika milalao mariazy mariazy
Tao ampiangonana rehefa alahady
Ny masontsika roa mifampitady
Jesoa nahita ny fitiavantsika
Fa mifamatotra toa misy tady


Efa niezaka ny hanohatra aho fa tsy haiko
Ilay fitiavanao iny mihitsy anie no ilaiko


Oh allô, sendra malahelo
Ka mba te haheno, ilay feonao malefaka
Oh allô, sendra malahelo
Ka mba te haheno, mangina ka mba te hiresaka


Na souvenirs efa taona maro
Aleo ny foko mba hahatsiaro
Pejy iray notehiriziko ianao iny
Fa tsy hoe ny tantara nandalo
Mirary soa hoan’ny zanakao roa ô
Ho an’ilay vadinao ihany koa
Aza hadino ny mampatsiahy anazy
Fa sambatra izy manana anao


Oh allô, sendra malahelo
Ka mba te haheno, ilay feonao malefaka
Oh allô, sendra malahelo
Ka mba te haheno, mangina ka mba te hiresaka


Oh allô, dia ity ilay numero
Rehefa malahelo any aoriana ka mba te hiresaka


Oh allô, izaho miandry anao eto
Feno sentosento ka efa haiko fa tsy ho tanteraka


Efa niezaka hanadino aho na dia mafy e
Efa vazaha be izay ianao iny any andafy e


·