ALITARA

Iraimbilanja

ALITARA


Rahoviana tsy hanenjehana intsony?
Tsy handrarana ny safidy
Izay efa nomeko an’iny olona iny
Aza fosainao ny volon-kodiny
Tondroinao molotra ireo fananany
Fa henoy ity fo mitempo fitia


    Ianao tsy tokony handrara hampitomany ny alitara

Fa aleo ho avy ny anjara
Ianao tsy tokony hitsara hampitomany ny alitara
Fa aleo hitohy ny tantara

Fantatro fa ataonao gazety ny lasa
Hanakiviana ilay malalako
Ianao tsy haharava ny fitia vita manda
Nataoko fantany fa izaho tsy tonga lafatra
Ka ireo fahotana sy hadalana zary lasa fahendrena


   Ianao tsy tokony handrara hampitomany ny alitara

Fa aleo ho avy ny anjara
Ianao tsy tokony hitsara hampitomany ny alitara
Fa aleo hitohy ny tantara

Manantena foana
fa mbola ho avy ilay fotoana
Hijoroanay eny anoloana
hanamafy ilay fitia
Hijinja ny ho doria


   Ianao tsy tokony handrara hampitomany ny alitara

Fa aleo ho avy ny anjara
Ianao tsy tokony hitsara hampitomany ny alitara
Fa aleo hitohy ny tantara

·