ALITARA

Ritsoka

ALITARA


Ritsodritsokin’ny fo mitempo fitia
No asandratro androany e
Bitsibitsikin’ny saina nivadika ho
haravoana tsy lany e
Hantahantan’ny zanaka faly aok’izany
migoka ny mamy e
Hetahetam-panahy maniry hatrany
hotantananao


Réf: Ho Anao no anolorako ny foko androany
Ho Anao irery ihany na ho mangidy io na ho mamy e
Foiko ho Anao ny fiainako eto an-tany e
Fa Ianao no mpamonjy ahy ary mbola hanangana ahy e
Any am-parany any


Niady mafy ho ahy Ianao mba ts’isy harombaka ahy
Eo an-tananao e
Tsy navelanao ho irery aho fa notsimbininao
Sy narovanao e
Na ny ainao aza moa dia efa natolotrao anavotana ahy e
Tsy hovoavaliko Tompo f’isaorako indrinadra
Ny Anaranao


Réf: . . .


Ho ie eeee eeeee
Mankalaza anao ny foko @ androko rehetra
Ho deraina ny anaranao @ taona tsy misy fetra
Ho ie eeee eeeee


Réf: . . . (x 2)


·