Alina maizimpito
FEO MIRINDRA
Alina maizimpito
Alina maizimpito, hainao hazavaina
Fitsapana, fijaliko ampodinao ho maraina
Na mafy ny manjo, mahatoky aho manana anao
Hanova ny fiainako ho vaovao
Ianao no Andriamanitra hinoako
Ny teneninao mitoetra ao ampoko
Na mafy ny manjo, mahatoky aho manana anao
Hanova ny fiaianako ho vaovao
Ny teneninao manankery, hitalahoko mba hiteny
Hampitsahatra avy hatrany ny tafiotra miady hamely
Aza avela andeha hirery, ombay ny tananao mahery
Tafio ny fahasoavanao, Jesô hiantrao