Alimanaka

Tselonina

Alimanaka

Mihantonkantona etsy ny alimanaka 
Manakom-baravarankely vaky
Mihantonkantona etsy ny alimanaka   
Manakona ny rivotra tsy ho ato

Dia tsy mitovy intsony ho’aho ny omaly sy ny androany 
Dia tsy mitovy intsony ho’aho raha mbola misy manontany

Janoary, febroary, martsa, aprily,
Izay ratsy amin’ny tary dia hikipilipily.

Miankin-drindrina etsy ny alimanaka
Menamena no manondro ny andro fety

Dia tsy mitovy intsony ho’aho ny omaly sy ny androany
Dia tsy mitovy intsony ho’aho raha mbola misy manontany
Dia tsy mitovy intsony ho’aho ny omaly sy ny androany   

Mey, jiona, jolay, aogositra, septambra
Tsy hiaraka aminay izay mbola mihambatrambatra

·