Aleoko tsy ary

Gabhy

Aleoko tsy ary


Anao irery aho, anao hatrany hatrany
Anao, matokia raha mbola eto an-tany.
Atolotro anao ny fiainako rehetra;
Atolotro ho anao, ho anao tsisy fetra.


Sahiko lazaina,
Fa raha tsy eo anilanao.
Voaary tsy ilaiko,
Izao tontolo izao.


Ka aleoko raha izany,
Dia tsy ho ary teto.
Satria dia ho jaly,
Ny fiainako eto.


Porofo ve no ilainao rahavako ?
Aleo dia hambara aminao ny fitiavako.
Raha toa ka ilaina ny hamoizana ny aiko.
Dia foiko ho anao, ho anao sombinaiko.


Sahiko lazaina,
Fa raha tsy eo anilanao.
Voaary tsy ilaiko,
Izao tontolo izao.


Ka aleoko raha izany,
Dia tsy ho ary teto.
Satria dia ho jaly,
Ny fiainako eto.


Mpihira: Gabhy (RABEHASINA Gabriel)
Mpamorona: André Titys (RANDRIA André Urbain)


·