Akanga sisa nanamborana

Andrianary Ratianarivo

Akanga sisa nanamborana


Indreto ny akanga izay sisa nanamborana
Mikararàka manga; fa afaka fatorana.
Ny lasa nisentoana dia aza mba tsarovina;
Ny eto anoloana no aoka ho tsinjovina.


Ny firariana tsara no hira fiventesana:
ho tsara fiafara hatreo am-pahafatesana
Mateza tsy ho rava izao fifankatiavana
Fa fiainana tomandavana
Ho lafo,…firiariavana


Tonony: Andrianary Ratianarivo
Feony: Andrianary Ratianarivo


·