AKAIKINAO (Slow)

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

AKAIKINAO (Slow)


1° Tsaroako anio Jeso ny fanavotanao
Fa tao an-davaka aho no nakarinao
Ny sandrinao mahery no natsotranao
Hitarika ahy ho eo anilanao


Réf :‘Zao no voady ataoko Aminao (Jesosy o!)
Voadiko anio mandrakizay
Ts’hisy hahasarak’ahy tsy hitoetra eo anilanao
Ho eo an-tongotrao akaikinao


2° He sambatr’aho Jeso satria voasasanao
Ny heloko rehetra dia voavelanao
Ny fiainako tontolo dia navaozinao
Ho mendrika tokoa ny lapanao


3° Endrey ny hafaliako manana Anao
Ny lanitrao no amboarinao ho tranoko
Ireo Anjely maro izay midera anao
No hiaraka amiko eo akaikinao


·