AKAIKINAO RY JESO NO IRIKO
Ny Feo Mamatonalina
AKAIKINAO RY JESO NO IRIKO
Akaikinao ry Jesô no iriko, o! manjombona ny andro ety
Ka ny fitiavanao izay nofidiko, no mampitony ny foko ery
Akaikin’i Jesosy tia, hasambarana tokoa
Anilan’ny hery doria, no milanon’amin-tsoa
Akaikinao ry Jesô misy vonjy, fa maivana tokoa ny zioganao
O! Hianao re no efa nilonjy, ny fahotako nesorina izao
Akaikinao ry Jesô azo toky, fa resy ny fahafatesana
Faly sy ravo fa tantanan-joky, kolokoloina sy ambesana