AKAIKINAO ANDRIAMANITRA O !

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

AKAIKINAO ANDRIAMANITRA O !

Akaikinao Andriamanitra o !
No lavitry ny horohoro
No lavitry ny horohoro
Miravo tsy mba manana adim-po
Na lanitra aza no hikoro

Eo anilanao ry Jeso Tompo
Ny fo mitady fierena (x2)
Na misafoaka aza ny manjo
Tsy azon-doza akaikena

Fanahy Masina ô (3e voix), honony re
Ny fo ‘zay valaka (3e voix), valaka sy hana
Tantano ho tafita (3e voix), ho tafita re
Na torak’aza i Joridana (3e voix)

Ny torimaso (x2) farany izay handaozanay ny fahoriana (2e)
No vavahady izay hidiranay
No vavahady (1-2e voix) no vavahady izay hidiranay
Handraisanay ny fifaliana (x2)

Handraisanay ny fifaliana

·