Ajanony amin'izay

Groupe NAINA

Ajanony amin’izay


Malagasy mitompo ny ady amin’ny kolikoly
Misitraka ny anjara masoandrony


Hafatra ho an’ny Malagasy rehetra
Mahatsiaro tena, manam-panahy
Izay vonona handroso tsy misy fepetra
Handà kolikoly ary tena ho sahy


Nofinofiko ery izany hoe tsy manao kolikoly nefa voakarakara
Afaka atomboka androany
Izaho sy ianao, afaka hanova tantara
Andao homanina anio
Ny hoavin’ireo taranaka any afara
Hatambatritsika ny hery
Hisandratra ihany Madagasikara


Endrey olo-jiaby, Iray saina iray fo
Manohitse ‘ty kolikoly raty e


Ry Malagasy malalako ô ô, ‘Ndeha mba hifanome tanana e e
Asehoy amin’izay ny fitiavana e e, Fitiavana ny Tanindrazana e e


Ry Malagasy malalako ô ô, ‘Ndeha mba hifanome tanana e e
Asehoy amin’izay ny fitiavana e e, Fitiavana ny Tanindrazana e e
Malagasy mandresy e, Kolikoly resy e


‘Ndeha ary isika hanongotre e, Hanongotra ny risoriso zalahy e
Isika mahasahy mitoroka e e, Tsy ho ela dia efa voasoroka e e


‘Ndeha ary isika hanongotse e, Hanongotse ‘ty risoriso lahy e
Atsika mahasaky mitoroka e e, Tsa ho ela de efa voasoroka e e
Malagasy mandresy e, Kolikoly resy e


Mba diovy amin’izay hoa ny tanana e e, Ataovy mahitsy ny lalana e e
Tsy ho lavitry ny fiadanana e e, Hiaina amin’ny fahasambarana e e


Mba diovy amin’izay hoa ny tanana e e, Ataovy mahitsy ny lalana e e
Tsy ho lavitry ny fiadanana e e, Hiaina amin’ny fahasambarana e e
Malagasy mandresy e, Kolikoly resy e


‘Zay tia kolikoly manao fahotana e
Fahavalom-bahoaka, mandika lalàna e
Ireo zatra manolotra, zatra mandray
Ajanony amin’izay
Ny fahamarinana jerena e
Io no manandratra ny firenena e
Madagasikara no tiana ho soa
Jesosy Tompo, ataovy eo aloha


Malagasy mitompo ny ady amin’ny kolikoly
Misitraka ny anjara masoandrony


·