AIZIM-PITO

Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)

AIZIM-PITO


Aizim-pito no manarona ny tany
Ali-mainty sy mikitroka aok’izany
Nefa kosa mahalasa ny vinany
Izay niseho tany anabakabaka any


Aizim-pito nefa tena mahagaga
Fa niposaka indray ny mazava
Ary nizy anjely maro izay nilaza
Indro teraka ho anao Jesosy zaza


Ref: Fa zaza no teraka
Teraka ho antsika
Zazalahy no omena
No omena antsika
Dia Jesosy izay nitondra famonjena
Koa raiso ho anao f’efa nomena


Indro tonga ety an-tany ny mesia
Dia Jesosy na ilay mpamonjy tia
Ka mitaona sy miantso hoe avia
Manantona ry mpanota izay nania


Fitiavana tsy misy toy izany
No atolony ho antsika ety an-tany
Fa hamafa ny alahelo sy tomany
Ary ny otanao die efa nofafany


·