Aiza ny tany tsy diavim-pitia ?

Andrianary Ratianarivo

Aiza ny tany tsy diavim-pitia ?


Fahoriana mihoatry ny vala
Alahelo mampiendrika adala.
Fisentoana mandritry ny taona
Manery no ty foko hisaona.


Aza maika sombinaiko !
Mandrenesa ! Mihainoa !
Fa ny ray matoa mibaiko;
dia maniry anao mba ho soa


Ô ry Dada o ! Dia ho didy;
raha hahazo misafidy
Aza maika ! Sombinaiko
Mandrenesa, mihainoa


Ô ry Dada ! Dia ho didy
Raha hisafidy
Aza maika ! Sombinaiko
Mandrenesa, mihainoa


Ny fitiavan-tsy voatsapa:
hazo boboka ao anaty
Vao maniry dia voakapa
Mbola maitso dia efa maty


Aiza no tany tsy diavim-pitia ?
Tadiaviko mafy dia mafy.
Satria ny fitiavan-drehetra
eto ambonin’ny tany.
Dia arahina sento;
arahina tomany;
faranana tomany.


Tonony sy feony: Andrianary Ratianarivo


·