Aiza ny hazavana

Tarika Miantefa

Aiza ny hazavana


Aiza, aiza ny hazavana
Fa tsy hita izay hombana
Maizina ety, maizina ety
Ry Tompo ô
Mandreraka ahy ny dia


Eia mitebiteby foana
Tsy mazava eo anoloana
Tompo ô Tsitoha,
Tompo ô Tsitoha
Fa efa mila ho reraka ny fo


Sento indray miserana ihany
Izany noventsoiko izany
Fa ao Jesoa
mitantana ahy
mandrakizay


Tompo ô hialako dieny izao
Saina mora kivy, mitalaho
Tompo ô ampio,
Tompo ô ampio
Fa ialako io toetra ratsiko io


Izaho fahazavana hoy Ianao
Hanazava izao tontolo izao
Tsy maizina aho
Tsy maizina aho
Fa maso efa iniana akipy angaha


Sento indray miserana ihany
Izany noventsoiko izany
Fa ao Jesoa
mitantana ahy
mandrakizay…


·