Aiza no aleha

Mahaleo

Aiza no aleha


Ny fefinao ry tiana sarotra ihanihana
Mangasihasy aho nefa be faniriana
Ny fitiavako tsy tana, tsy voarefy
Mangetaheta ka te hihoa-pefy


Aiza no aleha
Raha toa te hiombona
Fa toa rindrina, rindrim-be
Ny fonao mikombona
Aiza no aleha
Raha toa te hiombona
Fa toa rindrina, rindrim-be
Ny fonao mikombona

Nony ela ny ela tafahanika ihany
Nefa voatery hanivatsiva tokontany
Tao koa nefa ala nikitroka
Nitsapatsapa aho, impiry aho no ditsoka


Aiza no aleha
Toa manjombonjombona
Toroy arabe
F'efa tsy mahatombona
Aiza no aleha
Toa manjombonjombona
Toroy arabe
F'efa tsy mahatombona

Nony tonga teo an-tokonana
Nitady izay fomba azo hanatonana
Saingy vao nanandrana nandingana
Hay mbola nisy zavatra namingana


Aiza no aleha
Ny fonao rindrim-bato
Misy soratra, soratra hoe :
"Tsy azo hidirana ato"
Aiza no aleha
Ny fonao rindrim-bato
Misy soratra, soratra hoe :
"Tsy azo hidirana ato"

Izany nefa tsy nahasakana ahy
Niroso ihany aho, nanao kirin-dehilahy
Kanjo nisy olona iray niseho
Nilefa aho, nandositra toy ny tsy teo


Hay tsy azo aleha
Tsy azo aleha intsony
F'efa feno, feno be
F'efa feno ny fony
Hay tsy azo aleha
Tsy azo aleha intsony
F'efa feno, feno be
F'efa feno ny fony

·