Aina no fetra

CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano)

Aina no fetra


Ny fo sy ny saina atokana ho Anao
Raha mbola miaina ety izahay
‘Zay no fifaliako , ‘zay no mampiadana ahy
Tsy misy tsy foiko ho Anao ry Ray tsitoha
[Mamiko e ry Jesoa ] ny fitiavanao
[Zay namonjena] , anay zanany
[Raha mbola miaina ka tsy maty ety
Mbola hihira ho Anao] zahay ry Jesoa tia
Izay ahy rehetra hiderako Anao
Aina ry Ray no fetra hitiavako Anao


Zao no faniriana, zao no vetson’ny fo
Ho Anao ihany ny andro sisako
Tano aho ry Jesoa mba ho akaikinao
Ny foko e ry Ray ho fiandrihananao
[Raha ho avy ny andro] zay hodiako
[Mbola hitsiky] ny tarehiko
[Na tsy hahateny aza ny molotro
Mbola hihira ho Anao] ny saina sy ny fo
Izay ahy rehetra hiderako Anao
Aina ry Ray no fetra hitiavako Anao


·