Aina iray

Mage 4

Aina iray


Sitrana aho raha toa ka ianao,
No miara miaina ao anatiko ao
Satria tsy ho ritra
Ny rĂ  mikorina ao


Zay lalako no hodiavinao
Ny tanako no tantananao
Ka tsy ho irery aho,
Tsy ho very mandrakizay


Izay lazainao no teny mamy ho ahy,
zay vohainao no hidirako


Ref:


Ho fenoko avokoa ireo banga taloha,
Ho fiainam-baovao ihany koa
Satria olon-droa no andeha hiray fo,
Tsy mety ho levona ilay fitia.


Ilaozana avokoa ireo ditran’ny fo
Fifandeferana no ao aloha
Ho haiko ny hitaiza ny ao anatiko ao;
Fa aina iray no atao ho anay roa.


Nambabo ahy ny hatsaranao
Ireo mahita taitra avokoa.
Fa toy ny adala aho
Rehefa tsy tazana ianao,


Hilamina ary tsy ankahihy eeeeah!
Ny adiadi-kelim pitia
Natao tsisy very
Ilay asambarana ho ahy sy ho anao


Izay lazainao no teny mamy ho ahy,
Izay vohainao no hidirako,


Ref:


Ho fenoko avokoa ireo banga taloha,
Ho fiainam-baovao ihany koa
Satria olon-droa no andeha hiray fo,
Tsy mety ho levona ilay fitia.


(…)


Ilaozana avokoa ireo ditran’ny fo
Fifandeferana no ao aloha
Ho haiko ny hitaiza ny ao anatiko ao;
Fa aina iray no atao ho anay roa.


·