Aina

APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana

Aina


1-Miantso ny anaranao
(Tompo ô)
Miandrandra ny fitiavanao
Matoky ny tantanao
(Jesoa)
Manjohy izany dianao
(izay aleha)
Miankina eo an-tratranao mivavaka
Mibanjina anao


Fiv :
(Ilay fitia)
Ny fitiavako Jesoa
(Ny tranonao)
Ny trano masinao tokoa
(Hatramin’izay)
No naharitra ny aiko
Ritra tokoa ny aiko


2- Efa ela no niantso ianao
(Tompo ô)
Nandray ity mpanomponao
Hiasa ho anao Jesoa
(Jesoa)
Hitondra ny faniloko
(Izay aleha)
Hamonjy ireo madinika hitarika
Ny ondrikelinao


3- Ianao no Aina heriko
(Tompo ô)
Masoandro ny fiainako
Mitsinjo ity lalako
(Jesoa)
Mamaritra ny ho aviko
(Izay aleha)
Mandrotsaka ny fitahiana feno soa
Mandrakizay tokoa


·