Ahiahy

Tarika Hasina

Ahiahy


Ahiahy


Lavitra tany ianao, tsy mampandry saina
Tsy hay izay mety ho fiovana, fa ny ahiahy tsy hihavanana


Nanoratra taty tokoa hianao, saingy tsy nasiako valiny
Satria tsy eo anilako i ndry
Ka tsy antenaiko ny rariny


Réf
Ela be isika tsy nihaona, izaho taty tsindrindaona
Ka ahoana no hitokisako fa ianao dia tsy miova fo
Tsy voaara-maso akory no tsy mampandry loha
Ka mahatonga ahy ho lasa nofy, ny momba antsika roa


Sahirana mafy aho mieritreritra fa, ho averina ve ilay fitia taloha
Sa ho ravana dien’izao fa efa boboka sy lo
Nefa anie raha azo hatao aleo aloha aho mba hisaina
Fa sao dia misy fitaka ny ho tohin’ilay fifandraisana


·