Afom-panavotana

FEO'S BAND

Afom-panavotana


Ry zanako ô! Toa tomany
Toa misento lava ianao
Alavon’izao tontolo izao
Ka toa mavetsatra no lanjainao


Ny fiainanao mandalo ihany
Aza variana amin’izao tontolo izao
Mitrakà ianao, aza ketraka intsony
Fa Izaho efa eto hitantana anao


Ry Raiko ô! Very aho
Feno haratsiana ny ety
Fa maizina avokoa izay lalako
Very ny fanahiko


Fantatro fa teo Ianao
Nitantana ahy hatramin’izay ny Tananao
Niady ho ahy nanasoa ny tenako
Nanome hafaliana ny fo


Nefa aho dia nandà Anao
Ninia tsy nahare izay antsonao
Nihevitra aho fa nahavita na tsy teo aza Ianao
Kay AFOM-PANAVOTANA ho ahy Ianao


·