Afom-panavotana
FEO'S BAND
Afom-panavotana
1.Ry zanako ô! Toa tomany
Toa misento lava ianao
Halavon’izao tontolo izao
Ka toa mavesatra no lanjainao
Ny fiainanao mandalo ihany
Aza variana amin’izao tontolo izao
Mitrakà ianao aza ketraka intsony
Fa IZAHO efa eto hitantana anao
2.Ry Raiko ô! Very aho
Feno haratsiana ny etÿ
Ka maizina tokoa izay lalako
Very ny fanahiko
Fantatro fa teo IANAO
Nitantana ahy hatramin’izay ny Tananao
Niady ho ahy, nanasoa ny tenako
Nanome hafaliana ny fo
Nefa aho dia nandà ANAO
Ninia tsy nahare izay antsonao
Nihevitra aho fa nahavita na tsy teo aza IANAO
Kay AFOM-PANAVOTANA ho ahy ianao x3