AFAKA AHO

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

AFAKA AHO


Tsy hangina ny foko, he azoko tokoa ny famonjena ahy
Ravoravo ery ny Fanahy, he olona afaka aho
(Tsy ho adinoiko re) Raha mbola miaina koa
‘Lay fitiavan-dehibe izay nanavotana ahy tokoa
Tanatin’ny aizinkitroky ny famoizam-po
He afaka (x2) aho, he azoko tokoa ny famonjena ahy
Ny Tompo nanavotra ahy, he afaka aho
Tsy ho hadinoiko re, raha mbola miaina koa
‘Lay fitiavan-dehibe, nanavotana ahy tokoa
Avotra no azoko, voavaha ny fatotro
Ho tanako tokoa ilay famonjena ahy
Efa maty aho, voagejan’ny otako
Kanefa tsapako fa voavonjy aho,
Noho ilay Mpamonjy, ka afaka aho


·