Ady

Rija Ramanantoanina

Ady


Mahavariana sady mahatalanjona ty fomban’olona
Hazakazaka hafahafakely ny hilofosany
Matetika raha hifaninana
Ny tonga aloha no andrandraina
Dia manao izay ho afany eo daholo ny olona rehetra


Ny amin’ity indray mandeha ity indray dia mifamadika
Mifanosika miady gisitra raolombelona
Ny tonga farany no hiriany
Ankasomparana no ataony
Hanosehana ahatonga aloha ireo mpifaninana aminy


Fa mihazakazaka mihemotra raolombelona
Miaro ny ainy tsy ho faty
Hanosehany ny hafa
Manao izay fomba mamohetra raolombelona
Hanovana ny anjarany tsy ho tonga raha tsy farany


Dia ahoana hoy ianao ny hiafaran’ity fihetsiny
Fa ity olona antapitrisa an’aliny aman’hetsiny
Vokatry ny habibiana, olondiso faniarany
Mihazakazaka ao anatin’ny ankajo mavo feno ra
Tsy mifidy vola aman-karena ity raolombelona
Raha fitaovam-piadiana hifamonoana no resahana
Manapitra ny ain’ny sasany
Dia izay no anjara asany
Tsy akan-dasitra fa tena izy ny an-dry zareo


Fa mihazakazaka mihemotra raolombelona
Miaro ny ainy tsy ho faty
Hanosehany ny hafa
Manao izay fomba mamohetra raolombelona
Hanovana ny anjarany tsy ho tonga raha tsy farany


Fa mihazakazaka mihemotra raolombelona
Miaro ny ainy tsy ho faty
Hanosehany ny hafa
Manao izay fomba mamohetra raolombelona
Hanovana ny anjarany tsy ho tonga raha tsy farany


·