Adin-tsaina
Mahaleo
Adin-tsaina
Raha vao maraina
Dia lasa ny fisainana
Mifantoka ato an-tsaina
Ny tena adim-piainana.
Tapin-dalan-kaleha
Ity izaho efa trotraka
Ianao ihany re
No tena nisompatra.
Izany ve moa
No mba hany vitanao
Ny zanantsika roa
Dia nilaozanao amin’izao
Any izao ianao
Lasan’iny olon’iny
Moa va adinonao
Ireto zanatsika dimy iiiii
Adin-tsaina, vao maraina
No ato andohako ato
Satria lasa ny vadiko ooo
Any izao ianao
Lasan’iny olon’iny
Moa va adinonao
Ireto zanatsika dimy iiiii