65. Ny Amaramao Jesosy no m'a ifikirako
FIFOHAZANA
65. Ny Amaramao Jesosy no m’a ifikirako
1.Ny Anaranao Jesosy
No mba ifikirako,
Fa satiria misy vonjy,
No mba ifaliako
Tsara re
Ny anaranao Jeso,
2.Ahazoam-pamojena
Ny Anaranao Jeso,
Sady misy fandresena,
Ho azon’ny mino e !
Tsara re…
3.Na dia iza aza ambony
Sy malaza anarana,
Ny Anaranao Jesosy,
No malaza fatratra,
Tsara re…
4.Ny anaranao Jesosy,
Malaza ao ambony ao ;
Ny anjely dia mihoby
Sy midera Azy ao
Tsara re…
5.Enga aho ry Mpamonjy !
Hankalaza Anao am-po !
Ny Anaranao Jesosy
No mba ho ventesiko.
Jeso ô
Ny Anaranao Jeso.