10ème CHORAL
azofi fjkm ambohipo
10ème CHORAL
CRORAL AZOFI FJKM AMBOHIPO
10e CHORAL SAFIF
1/ Folo taona sahady izao
No naha choral SAFIF anao
Tsy voatanisa ny asa vita
Noho ny fiaraha-mita
2/ Folo taona koa nitoriana
Ny vokatra azo mahaliana
Mandroso hatrany, zay no vina
Fa aza asiana fanahiana
3/ Tao ny mamy sy ny mangidy
Fa izao no tena sarobidy
Ny firaisana voahaja foana
Ka tratry ny faha folo taona
Ref : Misaotra betsaka ry Tompo
Nikolokolo, nampitombo
Ny adidy sisa mbola ho avy
Apetraka aminao sahady