Ô ry tanora !

SLK Ambohidroa

Ô ry tanora !




  1. Ô ry tanora mihaino tsara va ianao
    Ity misy resaka tena tiako mba atao
    Tsy hoe kabary na fanasana atidoha
    Fa torohevitra tena mahasoa tokoa




  2. Very hevitra ianao fa tsy mety tonga fiadanana
    Ireo vola be sy fahazaina eo am-pelatanana
    Ka reraka fona mandeha makatsy makaroa
    Ka nefa tsy mba mahita izay mba fifaliam-po




  3. Tsy nihafiana irony sakafo
    Sy ny haingo izay vidiana lafo
    Manantena fa manana hery
    Sy hatsarana ka tsy mba ho very
    Ka nefa izao no tsarovy
    Ny eto an-tany dia mandalo ihany
    Ny any andanitra re no tsinjovy
    Sao dia helo no vantanina any




  4. Ho anao ao anatin’ny fahoriana
    Ho anao tsy mba manana fifaliana
    Raiso Jesoa ho Tompo mpamonjy anao
    Ka tsy hisy banga ny fiainana izay ho diavinao
    Koa mitsangana izao tapaho ny hevitrao
    Andao mba hiaraka aminay




·