Ô! MIFALIA

AMPIZIFA

Ô! MIFALIA

Andeha hifaly sy hihoby, fa velona ny Tompotsika
Ka dera, laza, Haleloia, no hira hoventesintsika
Nangina teo ilay fahavalo, izay nitady hampimalo
Fa azontsika re ilay fandresena mandrakizay

Ô! mifalia sy mihirà, ho an’Ilay Mpanavotra
Fa Izy irery ihany no nanafaka anao

Andeha torio sy hambarao, ho ren’izao tontolo izao
Fa velona Ilay Jesoa Kristy, nandresy fahafatesana
Koa manomboka anio, Jesoa Ilay Tompo no torio
F’Izy Ilay Iraky ny Ray, mba hamonjena ny Fanahy

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)

·