Ô MIDERA

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

Ô MIDERA


Ô miderà, mankalàza an’I Jehovah (Ambarao)
Fa lehibe tokoa ny fitiavany
Fa lehibe (tokoa) ny fitiavana natolony
Ny famindram-po, fiantrana koa no nentiny hoe ety (an-tany)
Ô miderà, mankalàza an’I Jehovah (Ambarao)
Fa lehibe tokoa ny fitiavany
Fa lehibe (tokoa) ny fitiavana natolony
Miderà (Azy) f’Izy mpanavotra


Ny fahorian-tsy hay toherina (no manjohy)
Ny fiainako (ny fiainako) hilofika (nefa ianao)
Tompo (ry Tompo) Jeso
Ianao nanolotra (ny) aina (sy ny) hery (ary) fo fanahy vaovao
Ka tafatsangana ho velona indray


Ny hery ny fitiavana (izay nasehony)
Nasehony mba handresena ny manjo
Izay nitantana tsy hosolafaka izay rehetra mino marina


(Ry Jeso) he mahagaga (anay)
He mahagaga (anay)
(Ny fitiavanao mahagaga anay)
Ny fitiavanao mahery re
Fo mitaraina (Aminao) nomenao aina
(Ny fitiavanao mahagaga anay)
Ny fitiavanao mahery re
Ka tafatsangana ho velona indray


Koa asandrato izany feo fihobiana (Azy hanako)
Hanakoako re eran-tany izao
Ny dera, laza no mendrika Azy
Miderà (Azy) f’Izy mpanavotra


Ho azy ny (voninahitra)
Ankalazao (fa Mpandresy)
Ha mahagaga, mahery, mahay
IZY no ANDRIAMANITRA


·