Ô miainga
Antoko Mpihira MORIA
Ô miainga
Ô miainga re hampandroso
Hampiely indray ny teny mamy
K’ambarao sy torio Jeso Tompo ho eran-tany
Manainga antsika olo-mino mba tena ho fanilo
Hitarika ireo olona marobe
1-Ireo ondry very tsy ao am-bala
Angony re mba hahalala
Hanantona ilay Ray masina
Tompon’ny fiangonana
Efa voafidy Ianao ka mijoroa misehoa
Mbola maro ireo adidinao
Izay napetraky ny Ray ka miainga
2-Ilay Jeso Tompo be fiantra
Mpamonjy ny ory sy mahantra
Hitory ny fitiavany
Ka ny fanahy masina
No ampanjakao ao am-po
Hampahery antsika ho vonona
Ho fanasina tokoa ka miainga