Ô isa e! (RAHA TSY AO AMINAO NY FANAHY )

RAZAFIMAHATRATRA RENE

Ô isa e! (RAHA TSY AO AMINAO NY FANAHY )


Ô isa e! Ô isa a!
Isak’izay mahatsiaro anao dia malahelo o!


Ô roa e! Ô roa a!
Rohizan’ilay olon-tiako any aho ka tsy afa-miala e!


Ô telo e! Ô telo a!
Teneno amin’ny ratsy efa vitako aho fa mbola adala e!


Ô efatra e! Ô efatra a!
Hanafarako fara-mandimby izay tsy mahalala e!


Ô dimy e! Ô dimy a!
Diniho amin’ny Soratra Masina aho fa hanambady e!


Refrain:
Na tsara tarehy aza ianao o!
Ka tsy ao aminao ny fanahy
Akoso-bolamena
Mamiratra jerena
Na tsara tarehy aza ianao o!
Ka tsy ao aminao ny fanahy
Akoso-bolamena
Mamiratra jerena


Ô enina e! Ô enina a!
Tsy manenina alohan’ny ratsy any aho fa azafady e!


Ô fito e! Ô fito a!
Fitiavana mahay mifanaja ho’aho no tsara indrindra o!


Ô valo e! Ô valo a!
Hivalozan’izay ratsy vitako aho fa ’ndrao mandratra e!


Ô sivy e! Ô sivy a!
Tsy ho kivy amin’ny fanantenako re fa manantena o!


Ô folo e! Ô folo a!
Efa folaky ny ankehitriny any aho vao hitanao o!


Refrain :
Na tsara tarehy aza ianao o!
Ka tsy ao aminao ny fanahy
Akoso-bolamena
Mamiratra jerena
Na tsara tarehy aza ianao o!
Ka tsy ao aminao ny fanahy
Akoso-bolamena
Mamiratra jerena


Ô isa e! Ô isa a!
Isak’izay mahatsiaro any aho dia malahelo o!


·