Ô ATSANGANO NY FANEVANAO RY FIANGONANA Ô !

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

Ô ATSANGANO NY FANEVANAO RY FIANGONANA Ô !


Ô! atsangano ny fanevanao ry fiangonana ô
Dia Jesoa Kristy (2)
Ilay nitondra fandresena ho an’izao tontolo izao
Asehoy fa Jesoa no fanevanao


Taona marobe no efa nitahiana anao
Ry fiangonana ô (2)
Koa mandehana dia torio sy ambarao
Ilay mpandresy ho an’izao tontolo izao


Indro ny aizim-be manarona ny taninao
Ry fiangonana ô (2)
Nefa ny mazava dia miposaka aminao
Koa misehoa, dia mijoroa, sahia tokoa


Na dia marobe ireo ady atrehanao
Dia matokia (2)
Fa Ilay mpandresy no miady ho anao
Hiaro sy hitantana ny dianao


·