Ô ASANDRATO AVO RE
STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Ô ASANDRATO AVO RE
Ô Asandrato avo re
Ny hira fihobiana
Fa tratr’izao Jaobily izao
Ka feno fifaliana
Ô mifalia mankalazà
Misaora Azy miderà
Fa Andriamanitra tsitoha
Nikolo nanasoa
Nijoro taona maro
Ny fikambanantsika
Jesosy no mpiaro
Ka tsy mba nangatsiaka
Nandalo fifaliana
Nisedra fitsapana
Fa Jeso nampangina
Ka resy ’lay satana
Koa mitsangana izao
Vitao ny asanao
Torio famonjena
Izao tontolo izao